Atidoha

Ny atidoha dia taovan' ny biby Bilateria (manana vatana manavaka ny ankava sy ny ankavanana), anisan' izany ny olombelona, izay ampahany manan-danja ao amin' ny rafi-pitatitra. Io no foibe misaina, mitadidy, manome baiko ny fihetsika sy ny fahaiza-misaina rehetra. Misy neorôna an-tapitrisany maro izay mifandray amin' ny alalan' ny sinapsa ny ao aminy. Amin' ny Chordata dia ao anaty loha no misy ny atidoha ary voaron' ny karandoha sy ny ranoka anaty loha izany ho an' ny Craniata (manana karandoha). Ho an' ny biby ao amin' ny fisampanana hafa, ny foiben' ny rafi-pitatitra sasany dia antsoina koa hoe "atidoha" amin' ny fanoharana azy ireo amin' ny Chordata.
Ny atidoha no mandrindra ny rafi-taova hafa rehetra ao amin' ny vatana, miasa amin' ny hozatra sy ny fihary, ary toerana misy ny asam-pisainana rehetra. Io ivon-toeram-pifehezana ny vatana io no ahafahana mahazo valiny haingana sy mirindra manoloana ny fiovan' ny manodidina.
Ny hetsika tsy nahy (refleksa), izay fomba famaliana tsotra, dia tsy mitaky ny fidirana an-tsehatry ny atidoha. Na izany aza, ny hetsika be pitsiny kokoa dia mitaky ny fampidiran' ny atidoha ny vaovao ampitain' ny rafi-pandrenesana sy ny fanomezana valiny tandrify kokoa.
Miovaova arakaraka ny karazam-biby ny atidoha. Milanja eo amin' ny 1,3 ka hatramin' ny 1,4 kilao ny an' ny olon-dehibe.
