Xanthium spinosum

Ny Xanthium spinosum, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe Acanthoxanthium spinosum, dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Asteraceae. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe bakakely. Ity karazana ity dia anisan' ny antoko Xanthium izay ahitana karazana 25 isan-karazany ao amin' ny Asteraceae.
Tsinjara toerana
[hanova | hanova ny fango]Fantatra maneran-tany ho ahidratsy manafika izay maniry amin' ny karazana toerana maro mikorontana toy ny kijana, ny tanimboly, ny lalan-drano, ny lemaka tondra-drano, ny tany avela hanirian-javamaniry rehefa avy novolena, ary indraindray ny tontolo mafana sy maina. Tsy fantatra ny faritra niaviany tany am-boalohany fa mety ho avy any Amerika Atsimo izy io, angamba avy any Sily. Ity zavamaniry ity dia hita any amin' ny faritra isan-karazany manerana izao tontolo izao, anisan' izany i Kanada, i Etazonia, i Amerika Afovoany, ny faritra Afrika sy Afovoany Atsinanana, i Sina, i Rosia ary i Aostralia.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Ny Xanthium spinosum sy ny hafa ao anatin' ny antoko Xanthium koa, dia ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana. Ny akora misy klôrôfôrma avy amin' ilay zavamaniry dia ampiasaina hitsaboana aretina maro toy ny hidrôfôbia, ny haromotana, ny tazo, ny aretim-pivalanana ary ny homamiadana.
Amin' ny fomba fitsaboana nentim-paharazana sinoa, ny akora misy metanôla hita ao amin' ny raviny sy ny voany dia ampiasaina amin' ny fitsaboana aretina miteraka famaivay toy ny aretin' ny vanin-taolana miendrika rohana. Mety hanapoizina ny olombelona ihany koa ity zavamaniry ity satria mamokatra tôksinina izay manimba ny voa.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Acanthoxanthium
- Xanthium
- Bakakely: Acanthospermum hispidum (Asteraceae), Xanthium spinosum (Asteraceae), Tribulus terrestris (Zygophyllaceae)
