Voasary
Fiseho

Ny voasary dia zavamaniry isan-karazany ao amin' ny vondron-karazana Citrus, Microcitrus, Fortunella ary Poncirus ao amin' ny fianakaviana Rutaceae, zana-pianakaviana Aurantioideae, foko Citreae. Anisan' izy ireo ny laoranjy, ny mandarinina, ny voasarimakirana, ny pamplemosy, sns. Ny voan' ny voasary dia miavaka amin' ny ankamaroan' ny voankazo noho ny firafiny mizarazara misy hasina, avy amin' ny singam-bavimbony. Zavamaniry volena sy be mpamboly indrindra eran' izao tontolo izao ny voasary, miavaka noho izy ireo isan-karazany.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]



Karazana sy safiotra maromaro ao amin' ny vondron-karazana Citrus, Fortunella, Microcitrus ary Poncirus ny voasary.
- Citrus
- Citrus aurantiifolia
- Citrus aurantium
- Citrus bergamia
- Citrus clementina
- Citrus glauca
- Citrus hystrix
- Citrus latifolia
- Citrus limettioides
- Citrus maxima
- Citrus medica
- Citrus medica var. sarcodactylis
- Citrus myrtifolia
- Citrus reticulata
- Citrus sinensis
- Citrus sinensis
- Citrus sphaerocarpa
- Citrus sudachi
- Citrus × karna
- Citrus × limetta
- Citrus × limon
- Citrus × microcarpa
- Citrus ×floridana
- Citrus ×paradisi
- Citrus ×tangelo
- Citrus ×tangerina
- Fortunella
- Fortunella hindsii
- Fortunella japonica
- Fortunella margarita
- Fortunella polyandra
- Fortunella crassifolia
- Fortunella obovata
- Microcitrus
- Microcitrus australasica na Citrus australasica
- Microcitrus australis
- Poncirus
- Poncirus trifoliata
Ao amin' ny kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ohabolana malagasy
[hanova | hanova ny fango]- Kahihitra, ka voasary sy fantaka avy no ifantahany.
- Malaza ho avy any Namehana, ka tsy mitondra voasary ho an-jaza.
- Raraka ivy alohan' ny mpamaky voasary.
- Toy ny voasary: raha bangoina, iray fonosana ihany; fa raha verahina, samy manana ny hasiny.
- Voasary amoron-dalana: haka aho, tsy tompony; tsy haka, maha-te hihinana.
