Lantanida

Ny lantanida dia fianakavian-tsinga simika ao amin' ny tabilao periôdika, miisa 15, manomboka amin' ny lantanina (no 57) ka hatramin' ny lotesiôma (no 71). Ny lantanida rehetra dia metaly mivolom-bolafotsy, somary makitroka sady mora volavolaina, manana lanja isam-bentin-kadiry 6 hatramin' ny 10 g/cm³. Miaraka amin' ny skandiôma sy ny itriôma, ireo singa ireo dia mamorona ny vondron' ny tany hamatra, izany hoe tsy fahita firy, na dia hita betsaka aza ny sasany amin' izy ireo ao amin' ny hoditry ny Tany. Nalaina avy amin' ny anaran' ny lantanina, izay voalohany ao amin' ilay fianakaviana, ny anarany, satria ny toetra ara-tsimia misy azy dia mitovy amin' io, farafaharatsiny ho an' ireo izay maivana indrindra amin' izy ireo. Ny prômetiôma irery no radiôaktifa amin' izy ireo.
Indreto ny anaran' izy ireo:
| Singa | Eva | Laharana | g/sm³ | Fampiasana azy |
| Lantanina | La | 57 | 6,15 | Tsama maivana, ampiasaina amin' ny fanamboarana jiro fôsfôro |
| Seriôma | Ce | 58 | 6,77 | Fanamboarana mpandrisikoto amin’ ny fiara (fantsona mandefa setroka), solomaso ary seramika |
| Praseôdima | Pr | 59 | 6,77 | Tsama fanamboaraa andriamby sy fitaratra miloko |
| Neôdima | Nd | 60 | 7,01 | Fanamboarana andriamby matanjaka (NdFeB) sy lazera |
| Prômetiôma | Pm | 61 | 7,26 | Fanamboarana loharanom-pahazavana malemy vaika, fikarohana nokleary |
| Samariôma | Sm | 62 | 7,52 | Fanamboarana andriamby maharitra, lazera |
| Eorôpiôma | Eu | 63 | 5,24 | Fanamboarana fôsfôro mena amin' ny jiro sy efijery |
| Gadôliniôma | Gd | 64 | 7,90 | Ampiasaina amin' ny fanamboarana andriamby sy fitaovana fahazoana sary mampiasa sahan' andriamby |
| Terbiôma | Tb | 65 | 8,23 | Fanamboarana fôsfôro maitso, jiro manome hazavana toa fliôro |
| Disprôsiôma | Dy | 66 | 8,55 | Fanamboarana andriamby mahazaka mari-pana ambony, tsama ilaina manokana |
| Hôlmiôma | Ho | 67 | 8,79 | Fanamboarana lazera, andriamby, famokarana taratra X |
| Erbiôma | Er | 68 | 9,07 | Fanamboarana lazera mampiasa tsitraka ôptika, fitaratra (vera) amin' ny fampiasana manokana |
| Toliôma | Tm | 69 | 9,32 | Fanamboarana lazera fitsaboana, loharanon-taratra X azo entina mandehandeha |
| Iterbiôma | Yb | 70 | 6,97 | Fanamboarana tsama metaly sy famantaranandro atômika ary lazera |
| Lotesiôma | Lu | 71 | 9,84 | Fanamboarana mpandrisikoto, kisarisary amin' ny fitsaboana, ampiasaina amin' ny fikarohana siantifika |
Amin' ny lafiny simika, ireo singa ireo dia somary mora miota, indrindra miaraka amin' ny ôksizenina sy ny rano, ary mamorona sosona ôksida manify haingana. Indraindray izy ireo dia tondroina amin' ny marika simika iombonana hoe Ln, izay maneho ny tsirairay amin' izy rehetra. Izy ireo dia singa ao amin' ny vondrona f avokoa, afa-tsy ny lotesiôma, izay ao amin' ny vondrona d. Izy rehetra dia mamorona katiôna Ln3+ izay ny simiany dia voafaritry ny tana iônikany amin' ny ankapobeny, izay mihena miandalana avy amin' ny lantanina mankany amin' ny lotetiôma.
Ny lantanida dia manana fampiasana indostrialy maro. Ny neôdima dia ampiasaina amin' ny fanamboarana andriamby matanjaka ho an' ny môtera sy ny mpamokatra aratra, raha eorôpiôma sy ny terbiôma kosa dia ampiasaina amin' ny fôsfôra mena sy maitso ho an' ny jiro sy ny efi-jery (tavan-pahitalavitra, tavam-pinday, sns). Ny seriôma dia ampiasaina ho mpandrisikoto ao amin' ny fantsona mpamoaka setroky ny môtera misy fandoroana anatiny, ary ny singa toy ny erbiôma sy ny iterbiôma dia ampiasaina amin' ny lazera sy ny fitaratra amin' ny solomaso manokana sns. Ny lantanida sasany dia atao tsama amin' ny fanamboarana bateria sy vatoaratra.
Na dia lazaina ho "hamatra" na "tsy fahita firy" aza ny anarany, ny lantanida sasany, toy ny seriôma, dia somary betsaka ihany. Izy ireo dia nalaina indrindra avy amin' ny mineralyin' ny mônazita sy ny bastnesita amin' ny alalan' ny fomba simika sarotra. Sarotra ny manasaraka ny lantanida satria manana toetra simika mitovy izy ireo.
Amin' ny fomba fijery ara-tontolo iainana sy ara-pahasalamana, ny lantanida amin' ny ankapobeny dia tsy sokajiana ho metaly mavesatra misy poizina. Na dia makitroka aza ny sasany, dia ambany ny maha poizina azy, ka mahatonga azy ireo ho ilaina amin' ny indostria nefa tsy miteraka risika ara-pahasalamana na ara-tontolo iainana.
