close
Hankany amin'ny vontoatiny

Gripa

Avy amin'i Wikipedia
BERJAYA
Otrikaretin' ny gripa, miala amin' ny sela niompy azy, nohangezaina in-100.000

Ny gripa (na influenza) dia aretina mitranga matetika sy mora mifindra vokatry ny taon' ny otrikaretina ARN amin' ny fianankavian' ny Orthomyxoviridae (Myxovirus influenzae A, B sy C) mikasika ny vorona sy ny biby mampinono toy ny kisoa sy ny olombelona.

Ny gripa epidemika na gripa tsotra

[hanova | hanova ny fango]

Miseho arakaraka ny vanintaona io gripa io, indrindra amin' ny fararano-ririnina. Misy aretin-doha sy mikohaka ary misy aretin-tenda ary malain-komana ny olombelona voan' ny gripa. Mitsahatra ireo famantarana ireo afaka telo na efatra andro. Raha tsy sitrana ny gripa (voan' ny pnemônia vokatry ny bakteria na tsy ampy rano) dia mety mahafaty.

Amin' ny alalan' ny teten-drano feno otrikaretina avoakan' ny evina sy ny kohaky ny olona marary ny fifindran' ny gripa avy amin' ny olona mankamin' ny olona. Ny fahitana ny gripa amin' ny fotoan' ny epidemia dia tsotra, ary ny fitsaboana ny gripa arakaraka ny famantarana dia tsy sarotiny. Ny vakisiny no tena mahatsabo ny gripa. Any amin' ny tany mandroso dia matetika manome vakisiny ho an' ny olona tsy dia salama[1], ary omena koa ny akoho amam-borona ompiana[2].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Miteny anglisy

  1. Publication de l'OMS : vaccins grippaux Relevé épidémiologique hebdomadaire de l'OMS, 19 août 2005, vol. 80, 33, pp. 277–288.
  2. Villegas, P (1998). "Viral diseases of the respiratory system". Poult Sci 77 (8): 1143–5. PMID 9706079.
BERJAYA
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.