close
Hankany amin'ny vontoatiny

Afo

Avy amin'i Wikipedia
BERJAYA
Afo

Ny afo dia hafanana sy hazavana vokatry ny firehetana haingana sy maharitra sady miteraka lelafo vokatry ny fahamaizan' ny zavatra nodorana izay mety ho vainga na ranoka na etona. Raha te hahazo afo dia tokony hisy zavatra azo arehitra (vainga na ranoka na etona) sy hafanana ambony ampy hiteraka firehetana ary ôksizenina na etona hafa toy ny klôro mba hamelona ny firehetana.

Tandindona sy fanoharana

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny filôzôfia

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny filôzôfia sinoa dia anisan' ny singa dimy miaraka amin' ny metaly, ny rano, ny hazo ary ny tany ny afo.

Amin' ny alsimia

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny alsimia tandrefana dia iray amin' ny singa tsy mihetsika fototra efatra mandrafitra ny akora tsirairay miaraka amin' ny rano, ny rivotra ary ny tany ny afo araka ny fampianaran' i Aristôty taloha kokoa (ny afo dia singa ivo amin' ny foto-pampianarana maromaro mifototra amin' ireo singa efatra ireo).

Ao amin' ny angano

[hanova | hanova ny fango]

Ny afo dia mifandray hoazy amin' ny Masoandro, izay loharanon' ny hafanana sy ny hazavana ihany koa (fantatra ankehitriny fa tsy fandoroana izany fa fikambanana nokleary). Matetika koa izy io no mifandray amin' ny afotroa, toy ny afo avy amin' ny fanefen' i Hefaistôsy/Volkana (ao amin' ny fedrà griko-rômana).

Ao amin' ny môraly sy ny fitsarana

[hanova | hanova ny fango]

Izany fananana toetra mifanohitra izany dia hita amin' ny lafiny môraly sy lalàna momba ny afo; indraindray dia azo heverina ho toy ny fitaovan' ny fitsarana ambony dia ambony izy io (ny fandorana olona dia sazin' ny heloka bevava mahazatra tamin' ny Andro Antenatenany, ary mbola misy mihitsy aza io amin' izao vanim-potoana ankehitriny izao amin' ny faritra sasany; fa ny famonoana dia heverin' ny olona sasany ho sorona ambony indrindra eo amin' ny fitsaran olombelona,​ anisan' izany ny fiarahamonina môderina, toy ny tany Tsekôslôvakia tamin' ny taona 1969); indraindray dia voaramaso mafy ny fampiharana azy, ary indraindray voasazy mafy (ny fandoroana trano na tanàna dia anisan' ny heloka bevava indrindra tany Atena).

Tandindon' ny fanadiovana

[hanova | hanova ny fango]

Ny afo koa dia tandindon' ny fanadiovana, avy amin’ izany ny fampiasana ny fandorana olona amin' ny fanamelohana ho faty sasany. Ity tandindona ity dia tsy isalasalana fa avy amin' ny fanao sasany momba ny fambolena izay andoroana ny tany mba hahatonga azy ho lonaka kokoa, saingy azo antoka fa avy amin' ny loharano maro no niandohan' io tandindona io. Ny afo, izay mariky ny fanadiovana, anefa dia fanao mahazatra ny Kristiana tamin' ny Andro Antenatenany; rehefa nandeha anefa ny fotoana dia very na voarara ireny fanao ireny (ny fitsarana ara-pivavahana, izany inoana ho fitsaran' Andriamanitra, ny fandorana velona, sns).

Tandindon' ny fitiavana ara-nofo

[hanova | hanova ny fango]

Ny afo koa dia tandindon' ny fitiavana ara-nofo. Ao amin' ny amboaran-tononkalon' i Vergilio (latina: Vergilius) atao hoe Eneida (latina: Aeneis), ny fitiavan' i Didô (Dido) an' i Enea (latina: Aeneas) dia nandoro sy nandevona azy tao anatiny. Ity tandindon' ny fitiavana ara-nofo ity dia naka ny heviny amin' ny teny an' ohatra sy sary izay mampifandray ny afo amin' ny firaisana ara-nofo, amin' ny fitiavana tafahoatra, amin' ny fiontanam-po, amin' ny fihetseham-po, sns. Ao amin' ny fedrà grekô-rômana, i Kopidô (latina: Cupido) dia aseho amin' ny alalan' ny tsipìka sy fanilo. Ankoatr' izay, ny siansa dia manohana an' izany tandindona izany, satria ny antony manosika ara-tsaina sy ara-batana miaraka dia avy amin' ny fiovaovan' ny hafanana ary mifarana amin' ny firaisana ara-nofo.

Ny teny latina hoe focus, izay midika hoe "afo", dia manondro voalohany ny fatana tamin' ny Andro Antenatenany, faharoa amin' ny heviny hentitra: toerana andrehetana ny afo, avy eo amin' ny heviny an' ohatra: ny tranon' ny ankohonana, avy eo nanondro ny ankohonana.

Afo sy fivavahana

[hanova | hanova ny fango]

Antsoina ho andriamanitra ny afo amin’ ny kolontsaina maro, ary ivavahan’ ny olona sy foko maro. Ampiasaina amin' ny fombam-pivavahana mônôteista koa izy io.

Tamin' ny fivavahana tamin' ny Andro Taloha

[hanova | hanova ny fango]

Tao amin' ny fivavahana tany Persia

[hanova | hanova ny fango]

Tany Iràna fahiny, ny Zôrôastrianina dia nihevitra ny fivavahana amin’ ny afo ho ampahany fototra amin’ ny fivavahany, ary ny fombafomba atao amin’ io fanompoam-pivavahana io dia voalaza amin’ ny antsipiriany ao amin’ ny Avesta. Tamin’ ny taonjato faha-19, ny Gabr (en), izay nonina indrindra tany Kerman sy Gujarat, dia nitahiry ny lanonana momba ny afo rehetra nataon' ny Persiana fahiny.

Tao amin' ny fivavahana grika sy rômana taloha

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fedrà grika dia nangalarina tao amin' ny andriamanitra ny afo ary nentin' i Prômeteosy ho an' ny olombelona. Ny afo tsy mety matin' ny Grika, izay nirehitra lalandava tany Atena sy tany Delfa, ny fivavahana tamin' i Volkano (latina: Vulcanus), ary ny afo nokarakarain' ny pretra vavin' i Vesta tao Rôma, no anisan' ny fanompoam-pivavahana tranainy indrindra tao amin' ny fivavahana grika-rômanina fahiny

Ao amin' ny fivavahana abrahamika

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny jodaisme

[hanova | hanova ny fango]

Mandrehitra hanukkiah (labozia misampana sivy) ny Jiosy mandritra ny fetin' ny Hanukkah mba hahatsiarovana ny fahagagana momba ny tavoara misy menaka mameno ny tenany ho azy isan' andro (fr). Isaky ny Zoma hariva amin' ny alina, dia fanao koa ny mandrehitra ny handil na labozia ho fanomezam-boninahitra ny fiandohan' ny Sabata na ny fety ara-pivavahana lehibe hafa. Toy izany koa, ao amin' ny fianakaviana sasany, dia arehitra koa ny handil na ny labozia rehefa Alatsinainy sy Alakamisy, andro hamoahana ny Torah, na amin' ny fitsingerenan' ny andro nahafatesan' ny olona sasany (mpianakavy, matetika raby lehibe).

Ao amin' ny kristianisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny fampiasana labozian' ny litorjia dia miely patrana any amin' ny fiangonana katôlika sy ôrtôdôksa hanamarihana ny fotoam-pivavahana litorjika, na ho fanatitra ho an' ny olo-masina. Ny lelafo koa dia maneho ny Fanahy Masina: ny lela mitarehin' afo dia mifandray amin' ny Pentekôsta, araka ny Asan' ny Apôstôly (2;1-13). Maro ny fanao tao amin' ny paganisma nampiasana afo izay hita ao amin' ny kristianismam-bahoaka (afo amin' ny Fetin' i Md Joany, ny Labozian' i Mb Losia any Soeda, sns.).

Ao amin' ny silamo

[hanova | hanova ny fango]

Ny finoana silamo dia tsy manome toerana lehibe ho an' ny afo ao amin' ny fombafombany. Tsy toy ny fivavahana sasany, ny afo dia tsy ampiasaina ho fanatitra na ho fanadiovana. Ampifandraisina amin' ny helo (Jahannam) mihitsy aza izy io, izay manome azy heviny ratsy. Ao amin' ny Kor'any, ny afo dia lazaina matetika ho sazy avy amin' Andriamanitra ho an' ny tsy olona marina. Izy io dia maneho ny famaizana fa tsy fahazavana ara-panahy na fanatrehan' Andriamanitra. Na izany aza, ny fampiasana ara-kolontsaina mifandray amin' ny afo dia mety misy amin' ny fanaom-bahoaka sasany, saingy tsy araka ny dôgma izany. Ao amin' ny finoana silamo, ny hazavana (nûr) dia mariky ny maha andriamanitra an' Andriamanitra, tsy misy ifandraisany amin' ny afo azo tsapain-tanana.

Ao amin' ny fivavahana hafa

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fivavahana darmika

[hanova | hanova ny fango]

Ny Hindo sy ny Bodista dia mandoro fanatitra isan-karazany mandritra ny fanompoam-pivavahany. Manao fandoroana ny maty (fr) koa izy ireo. Ny Hindo dia manana fifandraisana ara-pinoana sy ara-kolontsaina matanjaka kokoa amin' ny afo noho ny Bodista. Ny afo dia maneho ny andriamanitra Agni. Mariky ny rariny sy ny fandresena ny afo. Fety hindo maro, toy ny Diwali sy ny Karthigai Deepam, sy amin' ny lanonana ara-pivavahana maro hafa, no mampiasa afo.

Ao amin' ny fivavahan-drazana afrikana

[hanova | hanova ny fango]

Ny afo dia iray amin' ny singa dimy amin' ny natiora, araka ny fomban-drazana, manamoy ny rano, ny rivotra, ny tany ary ny fahalalana. Aorian' ny fampiasaina ny afo amin' ny fandrahoan-tsakafo dia ampiasaina amin' ny fivavahana koa izy io. Ao Tôgô, ny marimarina kokoa eo amin' ny vahoaka ao Bassar, dia misy dihy nentim-paharazana antsoina hoe dihin' ny afo.

Kolontsaina malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana momba ny afo

[hanova | hanova ny fango]
  • Ny marina toy ny afo ka raha kobonina mandoro[1]
  • Tandremo sao maka afo hanetroka ny tena.
  • Afo lavitra tsy azo amindroana; vary zato tsy enti-mandeha.
  • Arahaba nieren' ny afo.
  • Ho lava ny afon' Antongona ka tsy hitan' Andrianjafy hitairana.
  • Aza mila voa tsy ary ka maka afo amin' ny maty.
  • Aza misisika ho may ohatra ny fisoitr' afo.
  • Aza mitarika hitsofoka anaty afo toa lehibem-bomanga.
  • Azo ny vorona fa ny afo hitonoana no tsy misy.
  • Faly sahirana toy ny mpisorona afo homan-koditra.
  • Fanam-bomangan' Ambohimandroso: tonga an-kibo vao atanina afo.
  • Fisoitr' afom-bavy antitra: hita alika, kapohina; mandroatra ny vary, haroina aminy indray.
  • Izaho tsy mahalala sorona, fa sorona afo no fantatro.
  • Loha-omby notanehin-taikomby: masaky ny noraofin' ny lelany.
  • Main' ny afo natsangany izy, ary voakaikitry ny amboakely tiany.
  • Maty mangina toa afon' ampombo.
  • Miroborobo ny afo tsy mba namindro, fa efa lany ny kitay vao mamihin-tanana.
  • Mivahiny aman-kava-malahelo, ka soron' afo no hita.
  • Ny fanambadiana tahaka ny menaka, ka raha manalavitra ny afo dia mandry.
  • Ny mpanjaka toy ny afo: raha halavirina mangatsiaka, ary raha akekezina mahamay.
  • Ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro
  • Ny vanja tsy mandà afo; ny afo tsy mandà kitay.
  • Raha miroborobo ny afo, dia samy mamela tanana hamindro; fa raha lany ny kitay, ny tompon-trano ihany no manary lavenona.
  • Sokina mbola any an-davany, ka ny afo hitonoana azy no mahavery hevitra.
  • Toy ny sorona afon' adala: ny aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany.
  • Tsy mba ny afo handoro fa ny masoandro be hanahazana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ny marina toy ny afo ka raha kobonina mandoro. | Ohabolana