Tantara misongadina
Tantara farany
20 taona nampiakarana an'i ‘Mandu’ tao anatin'ny Jazz
“Tany am-piandohana izahay dia nifanehatra tamin'ny fisalasalana sy fifanjevoana mikasika ny jazz, saingy ankehitriny kosa dia tsy mila hazavaina izany, napetraky ny ny Jazzmandu ho eo anaty sarintany ny jazz sy i Katmandou."
Governemanta Kambodziana, UNESCO voarohirohy amin'ny famindram-bahoaka ao Angkor Wat
”Fianakaviana mihoatra ny 10.000 no noterena hafindra toerana hiala ny Angkor Wat “saika ny rehetra ... no voalaza fa voaroaka na noterena handao an'i Angkor taorian'ny vono vorona, fanorisorenana, fandrahonana, ary herisetra nataon'ny manampahefana Kambodziana.”
Nirohotra nankany San Francisco ireo mpanao fihetsiketsehana mialoha ny fivorian'ny Xi-Biden amin'ny APEC
Notsenain'ny mpanao fihetsiketsehana an-jatony sy vahoaka nitsena azy tao San Francisco mialoha ny fihaonany amin'ny filoha amerikana Joe Biden ny filoha Shinoa Xi Jinping.
Filipiana mpanentana an'onjampeo iray maty nandritra ny fandaharana mivantana
"Maneho ny loza mitatao amin'ny lahateny demokratika ao Filipina ity fihetsika feno habibiana ity. Fisehon'ny fironana mampiahiahy sy mitohy izany izay manaloka haizina amin'ny media tsy miankina."
Zimbaboe : mitolona ho amin'ny fankatoavana azy ireo sisampaty tamin'ilay fandripahana tao « Gukurahundi »
.«. [Na iray aza] tsy misy firenena eto an-tany ka hoe nivoatra raha tsy notsaboina araka ny tokony ho izy ireo tsy rariny tany aloha»
Ny Global Voices dia mitady mpikaroka avy ao Brezila sy El Salvador handray anjara amin'ny tetikasa Civic Media Observatory
Tokony honina na hanana fahalalàna lalina sy fidiram-baovao mbola mitohy avy amin'ireo firenena roa ireo ny mpikaroka.
Taratasy misokatra ho an'ireo mpitarika Karaiba manentana azy ireo mba hampitondra fanovana ny COP28
Namaritra sehatra telo lehibe hanampy amin'ny famahana ireo olana midadasika atrehin'ny faritra ireo mpanao sonia, ao anatin'izany ny tsy fitoviana, ny fahantrana, ary ny "haavon'ny trosa manafintohina", izay vao mainka miharatsy noho ny fiovan'ny toetr'andro.
Nanohana fanentanana anjotra manohitra ny fanalan-jaza ny politisiana breziliana mialoha ny didim-pitsarana tampony
Naka fijoroan-kevitra anoherana ny fanalan-jaza sy nitsikera ny Fitsarana Faratampony tao amin'ny Instagram sy Facebook ary nitsikera ny Fitsarana Faratampony noho ny nanemorany ny didim-pitsarana
Anatin'ny fotoana tena manandanja ho an'ny krizy manerantany, nohalefahan'ny X (Twitter tany aloha) ireo pôlitikany momba ny kabary mahery setra
Nohalefahan'ny X be mihitsy ny pôlitikany momba ny kabary mahery setra, tamin'ny fampihenàna ihany koa ny tokotanim-pampiharany ireo fepetrany momba ny kabary mahery setra sy ny vokadratsy aterak'izany rehefa tratra ny kabary tahàka izany
Manao ahoana ny hevitry ny governemantan'i Jamaika manoloana ireo Haitiana mpitsoa-ponenana?
Misy amin'ireo mpisera media sosialy sy mpiaro ny zon'olombelona no miampanga ny governemanta Jamaikana ho "tsy miraharaha" sy "tsy madio fo" amin'ny fikarakarana ireo Haisiana mpitsoa-ponenana.
















Hevitra farany
Azafady, tsy nisy namoaka hevitra