Toloho

Ny toloho na abilimborona dia karazam-borona ao amin' ny fianakaviana Cuculidae hita eto Madagasikara sy ao Seisely (ao Aldabra) ary taloha tany amin' ny Nosy Assumption sy Cosmoledo. Centropus toulou ny anarany ara-tsiansa. Ny toeram-ponenany voajanahary dia zavamaniry mikitroka any amin' ny ala mando sobtrôpikaly na trôpikaly, any amin' ny ala honko, any amin' ny kijana mikitoantoana, eny amin' ny honahona ary any amin' ny alam-bararata.
Mombamomba azy
[hanova | hanova ny fango]
Mirefy 45 hatramin' ny 50 sm ny halavan' ny toloho. Mainty ny hatotongony sy ny rantsan-tongony. Mena ny maintimasony. Miovaova arakaraka ny vanin-taoana ny lokon' ny volony. Amin' ny fotoana fanambadiany: mainty manjelatra ny lohany, ny vozony, ny saokany, ny tenda ary ny rambony. Mainty koa ny vavany. Mainty ny ambony sy ny ambany amin' ny vatany, afa-tsy ny lamosiny sy ny elany, izay menapina madera.
Amin' ny fotoana tsy anambadiany dia mainty misy soritsoritra manja manopy vony ny lohany, ny vozony, ny saokany, ny tendany ary ny vatany. Volontany mavokely ny vavany. Menapina ny lamosina sy ny elany. Mainty ny volom-bodiny sy ny tapany ambony amin' ny rambony ary ny rambony. Mainty ihany koa ny ao ambany, fa ny tratrany kosa dia ahitana soritsoritra madera be. Manana volo mitovy amin' ny an' ny efa lehibe amin' ny fotona tsy ifanambadiany ny toloho tsy mbola lehibe. Tena kely ny fahasamihafan' endriky ny lahy sy ny vavy: somary lehibe noho ny lahy ny vavy.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Cuculidae
- Centropus
- Kankafotra na taotaonkafa (Cuculus rochii)
