close
Hankany amin'ny vontoatiny

Ranidae

Avy amin'i Wikipedia
BERJAYA
Pelophylax cypriensis

Ny Ranidae dia fianakavian-tsahona (Amphibia). Izy ireo no manana ny tsinjara toerana midadasika indrindra amin' ny fianakaviana sahona rehetra. Be dia be izy ireo manerana ny ampahany be amin' izao tontolo izao, miseho amin' ny kôntinanta rehetra afa-tsy i Antarktika. Hita any Amerika Avaratra, any Amerika Atsimo (ilany avaratra), any Eorôpa, atỳ Afrika (anisan' izany i Madagasikara), ary any Azia ny Ranidae. Mahazo an' i India Atsinanana ka hatrany Ginea Vaovao ny tsinjara toerana aziatika ary misy karazana iray (Papurana daemelii) izay niparitaka any amin' ny farany avaratra amin' i Aostralia.

Amin' ny ankapobeny dia malama sy mando hoditra ny Ranidae, manana tongotra lehibe sy matanjaka ary faladia mivelatra be. Miovaova be ny haben' ny karazana ao amin' io fianakaviana io, manomboka amin' ny kely — toy ny Lithobates sylvatica — ka hatramin' ny ngeza.

Maro amin' ny karazana ao amin' ny Ranidae no miaina anaty rano na miaina akaikin' ny rano. Manatody anaty rano ny ankamaroan' ny karazana sady mandalo amin' ny dingan' ny tsiboboka. Na izany aza, toy ny amin' ny ankamaroan' ny fianakavian-tsahona, dia miovaovana be ihany ny fonenan' ny karazana ao amin' itỳ fianakaviana itỳ. Misy koa ny karazana miaina eny ambony hazo maniry, ary io fianakaviana io dia anisan' ny karazana vitsivitsy ao amin' ny Amphibia izay afaka miaina anaty rano masirasira.

Lisitry ny antoko

[hanova | hanova ny fango]

Noraisina ho fianakaviana misaraka ankehitriny ny ankabeazan' ny zana-pianakaviana taloha tao anatin' ny Ranidae, ka ny Raninae sisa no tavela. Ireto vondron-karazana na antoko manaraka ireto no ekena ao amin' ny fianakaviana Ranidae:

  • Abavorana Oliver, Prendini, Kraus, and Raxworthy, 2015 (karazana 3)
  • Amnirana Dubois, 1992 (karazana 11)
  • Amolops Cope, 1865 (karazana 80)
  • Babina Thompson, 1912 (karazana 2)
  • Chalcorana Dubois, 1992 (karazana 9)
  • Clinotarsus Mivart 1869 (karazana 3)
  • Glandirana Fei, Ye, and Huang, 1990 (karazana 6)
  • Huia Yang, 1991 (karazana 1)
  • Humerana Dubois, 1992 (karazana 4)
  • Hydrophylax Fitzinger, 1843 (karazana 4)
  • Hylarana Tschudi 1838 (karazana 4)
  • Indosylvirana Oliver, Prendini, Kraus, and Raxworthy, 2015 (karazana 13)
  • Lithobates Fitzinger, 1843 (karazana 55)
  • Meristogenys Yang, 1991 (karazana 13)
  • Nidirana Dubois, 1992 (karazana 19)
  • Odorrana Fei, Ye, and Huang, 1990 (karazana 64)
  • Papurana Dubois, 1992 (karazana 19)
  • Pelophylax Fitzinger 1843 (karazana 19)
  • Pseudorana Fei, Ye, and Huang, 1990 (karazana 1)
  • Pterorana Kiyasetuo and Khare, 1986 (karazana 1)
  • Pulchrana Dubois, 1992 (karazana 18)
  • Rana Linnaeus, 1758 (karazana 58)
  • Sanguirana Dubois, 1992 (karazana 6)
  • Staurois Cope, 1865 (karazana 6)
  • Sumaterana Arifin, Smart, Hertwig, Smith, Iskandar, and Haas, 2018 (karazana 3)
  • Sylvirana Dubois, 1992 (karazana 12)
  • Wijayarana Arifin, Chan, Smart, Hertwig, Smith, Iskandar, and Haas, 2021 (karazana 9)

Tamin' ny taona 2023 dia nanandrana nampitovy ny Amnirana, ny Chalcorana, ny Humerana, ny Hydrophylax, ny Indosylvirana, ny Papurana, ny Pulchrana, ary ny Sylvirana ho Hylarana ny Amphibian Species of the World mandra-pahazoana ny tena marina ka tsy nisian' ny fampifangaroana lehibe manodidina ilay vondrona. Izany fanovana izany dia voarakitry ny AmphibiaWeb.

Incertae sedis

[hanova | hanova ny fango]

Misy anarana maromaro apetraka ao amin' ny Ranidae ho incertae sedis (tsy fantatra mazava ny vondrona misy azy), izany hoe tsy azo antoka loatra ny sata taksinômikany ka hahafahana mametraka azy ireo amin' ny fomba marina kokoa.

  • "Hylarana" chitwanensis (Das, 1998)
  • "Hylarana" garoensis (Boulenger, 1920)
  • "Hylarana" latouchii (Boulenger, 1899)
  • "Hylarana" margariana Anderson, 1879
  • "Hylarana" montivaga (Smith, 1921)
  • "Hylarana" persimilis (Van Kampen, 1923)

Fianakaviana tao amin' ny Ranidae teo aloha

[hanova | hanova ny fango]

Maro ny vondrona nesorina avy ao amin' ny Ranidae (Ranoidea ankehitriny) ka lasa fianakavian-tsahona mahaleo tena, anisan' izany ireto:

  • Conrauidae
  • Dicroglossidae
  • Mantellidae
  • Micrixalidae
  • Nyctibatrachidae
  • Petropedetidae
  • Phrynobatrachidae
  • Ptychadenidae
  • Pyxicephalidae
  • Ranixalidae
  • Rhacophoridae

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]